<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>603</hymn_number>
<title>He sambatra Jesosy o FFPM603</title>
<lyrics>[V1]
 He sambatra, Jesosy ô,
 Ny ondry vitsinao !
 Fa Hianao Mpiandry soa
 Maharo ny Anao ;
 Ny ainao no natolotrao
 Ho an'ireo ondrinao,
 Ny very tadiavinao
 Hiaraka Aminao.

[V2]
 Izaho voamarika,
 Ho isan'ny Anao,
 Anefa mba matahotra
 Sao dia lavinao
 Ka aoka mba hotairinao
 Ny foko, raha hitanao
 Fa mila ho sondriana
 Sy diso lalana.

[V3]
 Ny hafanana mahamay
 No mahatrotraka,
 Anefa mbola tazanay
 Ny fitsaharana.
 Ho avy faingana anie
 Ny andro soa lehibe,
 Izay hamelaranao ny lay
 Handrakotra anay.</lyrics>
</song>